12 nôvambra — I Masindahy Josaphat dia Ivan Kountsevitch no tena anarany, teraka tao Volhynie ny taona 1584. Mbola zaza , na sakan-jaza izy tamin'ny fotoanan'ny Union de Brest ny taona 1596. Tamin'izany fotoana izany dia niankina mivantana tamin'i Rome ny ampahan'ny Fiangonana tao Ukraine, izay nanome ny Fiangonana greco-catholique na Église ruthène.
11 nôvambra — Teraka ny taona 316 tao Pannonie, tananan'i Sabaria, izany hoe Szombathely ao Hongrie amin'izao fotoana izao, i Martin. Avy ao Pavie, Italie avaratra ny rainy. Miaramila manamboninahitra tao am'ny tafiky ny empire romanina io rainy io. Ary tsy mahagaga ny anarany raha nataon'ny rainy hoe Martin, izay midika hoe manaja an'i Mars, andriamanitry ny ady ho an'ny romanina.
10 nôvambra — Tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra no teraka i Léon, misy ny milaza fa teraka tao Toscane izy, fa misy koa ny milaza fa teraka tao Rome izy. Ny tahirin-kevitra hafa milaza fa tao Étrurie. Quintianus no anaran'ny rainy ary tsy fantatra loatra ny tantaran'ny fahazazany fa ny nahalalana ny tantarany voalohany dia tamin'ny taona 418. Acolyte, irakiraky ny papa Zosime izy tamin'izany.
09 nôvambra — Miaramila romanina i Théodore ary anisan'ireo martiry fanta-daza any amin'ny Fiangonana Tatsinanana izy. Teraka tao Syrie tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo izy. Tandremana tsy hifangaro amin'ilay Masindahy Théodore tsaroana ny 07 febroary ity resahana etoana ity, satria samy miaramila, ary samy martiry izy ireo.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco