17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.

16 septambra — I Masindahy Corneille dia zanak’i Castinus, fanta-daza tao Roma ny fianakaviana nipoiran’i Corneille. Tao aorian’ny nahafatesan’i papa Fabien ny 20 janoary 250 dia voafidy ho papa i Corneille, dimy ambin’ny folo volana tao aorian’io nahalasanan’ny papa Fabien io. Izany hoe ny taona 251.

15 septambra — Tamin’ny taonjato fahairaika ambin’ny folo no nahitana voalohany sy ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo. Hita tamin’ny asa sotratr’i Pierre Damien sy Masindahy Anselme izany. Ny fijalian’i Masina Maria teo an-tongotry ny hazofijaliana dia namelombelona ny fitiavam-bavaky ny kristianina hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo.

14 septambra — Tsaroatsika tsara fa tamin’ny 18 aogositra i Masimbavy Hélène, ilay renin’ny amperora Constantin no nahita ny hazo nifantsiahan’i Jesoa. Tamin’ny taona 335 dia nasain’i amperora Constantin ireo pretra nivory tao Tyr tamin’ny fitokanana ny bazilika roa tao Jerosalema ny 13 septambra, ho fankalazana ny faha-30 toana ny nahatongavany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...