07 ôktôbra — Efa hatramin'ny taona 1547 no nankalazaina tany Espagne ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Raozery isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana aprily. Ny papa Pie V kosa ny taona 1572 no nanambara fa fankalazana ny fetin'i Notre-Dame de la Victoire ny alahady voalohany amin'ny volana ôktôbra ho fisaorana sy fankasitra noho ny fandresena tao Lépante.
06 ôktôbra — Fianakaviana andriana no nipoiran'i Bruno. Teraka tao Cologne teo anelanelan'ny taona 1030 sy 1035 izy io. Nanomboka nianatra tao amin'ny Kôlejy Saint-Cunibert izy tao amin'ny tanana nahaterahany, avy eo nandalina ny filôzôfia sy teôlôjia tany Reims sy tany Paris.
05 ôktôbra — Teraka tao Głogowiec tao Pologne ny 25 aogositra 1905 i Faustine. Hélène no anarany ary zaza fahatelo amin'ny zaza folo izy. Tantsaha mahantra ny fianakaviany. Teo amin'ny fahafito taonany izy no naheno ny fiantsoana azy ho relijiozy.
04 ôktôbra — Teraka ny 1181 i François, zanaka mpivarotra, mpanan-karena tao Ombrie izy. Vao teraka izy dia nataon'ny reniny batemy ka nomeny ny anarana hoe Jean fa rehefa tonga avy any France ny rainy dia nanome azy ny anarana hoe François.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco