22 aogositra — Ankalazaina amin’ity andro ity i Maria Mpanjakavavy. Mpanjakavavy i Masina Maria satria mitovy amin’ny zaniny izay Mpanjakan’izao tontolo izao.

21 aogositra — Ny Victoire resahina dia i Victoire Rasoamanarivo, teraka ny taona 1848 tao amin’ny fari-bohitr’Andohalo Antananarivo i Victoire. Rambahinoro no reniny ary Randriantsilavo, manam-boninahitra efatra ambin’ny folo voninahitra ny rainy. Zafy kelin’i Rainiharo piraiminitra sy ny mpanjakavavy Ranavalona I izy.

20 aogositra — Teraka ny taona 1090 tao Fontaine akaikin’i Dijon i Bernard. Manam-boninahitra sy fanta-daza amin’ny fitava-bavaka ny ray aman-dreniny. Vao teraka izy dia efa natokan’ny reniny ho an’Andrimanitra. Io reniny io dia nanonofy fa ho masina io zaza io ao aoriana.

19 aogositra — Teraka tamin’ny 14 novambra 1601 tao amin’ny tanana kelin’i Ri i Jean Eudes. Lahy matoa amin’ny zaza enina nateraky ny ray aman-dreniny izy. Mpandalina tantara tao Mézeray  ny rahalahiny.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...