Tsy manao ambanin-javatra amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely iantsorohan’ireo mpikambana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Nikarakara atrik’asa nandalinan’ireo mpikambana ao aminy ny lalam-pihariana fiompiana tantely ireo ny faha 4 sy ny faha 5n’ny volana may teo. Atrik’asa natao teto an-drenivohitra teny amin’ny FOFIKRI Ilafy Antananarivo Avaradrano...
Maro ny voka-dratsy vokatry ny fihinanana paraky sy fifohana sigara, amin’ny tena sy ny manodidina, tsikaritra fa miha tanora ny mpanjifa azy ireo. Mahatratra eo amin’ny 4000 eo ny karazana poizina entin’ny setroka sigara: hhatra nicotine, goudron, monoxyde de carbone, cyanure d’hydrogène; etsy ankilany ny paraky dia manana taha mihoatra lavitra ny nicotine ao anatin’ny sigara telo fohana. Mila fiaraha-mientana ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny reny no tompon'andraikitra voalohany hampita amin'ny zanany vavy ny hahareny azy koa amin'ny ho avy. Noho izany, manana adidy izy hampiseho fahamendrehana amin'ny lafiny rehetra. Misy toetra fototra tokony hananan'ny reny dia ny fahamendrehana amin'ny lafiny fitafy, fihetsika, fiteny ary indrindra ny fahaiza-mihaino... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Manomboka ao anatin'ny vava ny taova fandevonan-kanina, lela, nify, tenda, aty, sarak'aty, vavony, tsinay. Antony mampikorontana ny taova : kalitao sy ny fatran'ny sakafo, matsiro loatra na mahatsatso loatra, sakafo matavy na tsy mahazatra, sakafo tsy sahaza, sakafo tsy zaka ; ankoatra ireo dia mety ho tsy fahasalamana mahazo ireo taova mandrafitra ny fandevonan-kanina, mety ho otrik'aretina, ny fisian'ny kantsentsitra ao anaty tsinainy. Isan'ny antony mampikorontana ny taova fandevonan-kanina ihany koa ny fikorontanan-tsaina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco