Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondran-tena ary ny fahalalam-pomba dia taratry ny fivoaram-piainana ho amin'ny tsara kokoa. Rehefa tsy te handray ny fanabeazana homena azy ny ankizy dia mety ho tojo lalana sarotra, ohatra amin'ireny ny fiainana ara-pitiavana iainan'ny mpianatra, tanora. Ny vehivavy mitoetra irery, mahaleo tena dia misy fiatraikany ara-panabeazana ny zanaka ary mahakasika ny fivoaram-piainana izany... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Miantoka ny fahatsarana sy fitomboan'ny vokatra ny fampiasana masomboly nohatsaraina, voafantina ary voamarina. Fampiasàna ny masomboly novokarina manokana sy voafantina ary voamarina no tena azo antoka amin'ny fahazoana vokatra tsara sy betsaka. Tena ilaina ny miverina amin'ny masomboly voafantina sy mampiasa ireo masomboly novokarina manokana raha tiana ny hitazona sy hampiakatra ny fahombiazana amin'ny famokarana atao...
Mihamafy ny andavanandrom-piainan'ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany, ny fahasarotana indrindra anefa no tokony vao maika hanosika amin'ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ary ny fifanohanana. Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin'ny fitiavana amin'ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin'ny fiainana. Ny fianakaviana dia fiangonana kely mariky ny fanantenana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny "cognition" dia ny fomba fiasan'ny atidoha, afahana manatanteraka ny asan'ny fitadidiana, fahafahana manavaka sy manapa-kevitra. Rehefa misy olana ny "cognition" dia mety tsy hifantoka ny olona iray, olana amin'ny fomba fiteny izany hoe mikorontana ny fahafaha-miteny, olana amin'ny fanaovana asa iray, mikorontana ny fahitàna. Rehefa tsy tomombana ny fitadidiana dia maro ny olona lasa miankindoha amin'ny hafa mba hanampy azy amin'ny fiainana andavanandro... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco