Ny hita ao anatin'ny Testamenta Taloha dia tantaram-pamonjena ho an'ny olombelona. Nifidy vahoaka iray Andriamanitra, nanehoany ny fitiavany hamonjy ny olombelona. Andriamanitra no nifidy an'i Abrahama, izay niavian'ny mpamonjy (Abrahama - Isaaka - Jakôba - Josefa) ; miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ny iraka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

• Nifanipa-kevitra ireo Solombavam-bahoaka, momba ny raharaham-pirenena. Nilaza ny hisokatra amin'ny hery rehetra ireo depiote manohana ny fitondrana, amin'ny fanendrena ny Praiminisitra. Nitsipaka izany ny mpanohitra... • Tafajoro androany ny Komity Mpandrindra ny Tolona, hitarika ny fitakiana an-dalambe nisy tato anatin'ny herinandro. Mangataka ny hanokafana ny Kianjan'ny 13 mey ireo mpanakanto sasany... • Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha ireo mpiasan'ny fahaslamana anatin'ny sendika TRIADE, amin'izao. Roa andro androany izy ireo no nanao “sit in” eny anoloan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy...

♦ Maneho ny alahelony manoloana ny herisetra sy ny aina nafoy amin'ny tranga misy eto Madagasikara izao ny masoivohon'ireo firenena tandrefana ary ny delegasiôn'ny Vondrona Eraopeana. Manamafy ny maha-zava-dehibe ny tany tan-dalàna sy ny fanajàna ny zo fototra toy ny fahalalahana maneho hevitra sy mivory am-pilaminana... ♦ Manao hetsika mitaky ny zony koa ireo mpampianatra amin'ny Faritra maro eto Madagasikara. Isan'izany ny ao Vakinankaratran Amoron'i Mania... ♦ Tombanana ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny morontsiraka ho an'ny anio sy rahampitso 3 oktobra, raha ny vinavina avy amin'ny Météo...

♦ Miangavy ny olom-pirenena Malagasy ny Arsevekan'i Toamasina, Mgr Désiré Cardinal Tsarahazana mba hiala amin'ny herisetra. Maniry ny mba ahitana vahaolana amin'izao toe-draharaha manahirana eto amin'ny firenena izao izy... ♦ Nahery vaika ny fanenjehan'ny mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana ny tolak'andro teo, tao Antananarivo-renivohitra. Maro ireo naratra vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ary nisy tamin'izy ireny no ankizy... ♦ Voapetraka omaly antoandro teny amin'ny Fitsaràna Anosy ny fitorian'ny holafitry ny mpanao gazety ny FIGN sy ny GSIS, izay nikasi-tanana sy nanapotika ny fitaovan'ny mpanao gazety...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...