♦ Nifantoka tamin'ny fahaleovantenan'ny Fitsarana ny fikaonan-dohan'ny mpiasan'ny Fitsarana, notanterahina tety Ivato tamin'ity herinandro ity... ♦ Maherin'ny 1 tapitrisa ireo olona nisitraka ny fiarovana ny aro-loza ary 300.000 ireo voaaro tamin'ny tondra-drano tao Antananarivo renivohitra sy ny manodidina tao anatin'ny 7 taona nisian'ny tetik'asa Produir... ♦ Krizy lalin'ny tsy fandriampahalemana no mitarika ny trangana hala-jaza ankehitriny hoy Lanto Ratsida, mpandinika fiaraha-monina... ♦ Mitombo hatrany ny olana amin'ny fahatapahn-jiro any Cuba ary mahazo vahana manaraka izany koa ny hatezeram-bahoaka amin'ny mpitondra...
Samy miombona eo amin'Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina ihany ny olona nefa indraindray ary ao vao tena misy fizarana. Toa re manako foana ilay vavak'i Jesoa hoe : mba ho iray anie izy rehetra. Mila antsoina mandrakariva ny Fanahy Masina mba ho fiombonana tena izy no hitranga. Ny Konsily dia antso afahan'ny rehetra hifanakalo hevitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
♦ Nandao an'i Madagasikara ny hariva teo Mgr Tomasz Grysa, Nonce Apostolique, notendren'ny Papa François niasa teto Madagasikara nandritry ny 3 taona sy 8 volana... ♦ Olan'ireo mpandraharaha sy ireo tanora manana tetik'asa fandraharahana matetika ny resaka famatsiam-bola hanombohana na hanitrarana sehatr'asa. Ny hanampiana azy ireny amin'izany no antom-pisian'ilay tsenaben'ny vola sy ny fampiasam-bola andiany faharoa tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Mitaky ny hisian'ny dinika sy fifampiresahana eo amin'ny samy Malagasy hametrahana ny fifanarahana politika, mba hisian'ny vahaolana maharitra ho an'ny firenena ny G5...
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco