♦ Mamaha olana ireo vehivavy tanora amin'ny faritra maro ao an-drenivohitra ny fiofanana atolotry ny Ivon-toerana misahana ny fahaleovan-tenan'ny vehivavy ao amin'ny FMA eny Ampasanimalo. Maherin'ny 40 mirahavavy indray omaly no nahavita fiofanana no notolorana mari-piofanana... ♦ Notoloran'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka fampitaovana mitentina 206.000 Dôlra ny Ivon-toeram-panofanana mampiofana Paramedy IFIRP manerana ny Nosy... ♦ Nankalaza ny andron'ny vilona teny Tsaratanàna Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo omaly ny MDB niaraka tamin'ny tetik'asa Profilait. Ahazoana ronono 30litatra/andro ny fampiasana vilona ampy sy tsara kalitao...

Teraka tao Espagne ny 17 mey 1540 i Pascal, zanaka mpamboly manetry tena izy io ary feno hatsaram-panahy kristianina. Vao fito taona monja dia efa niandry ondry izy, ary ny fotoana tamin'izany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny famakian-teny, ary voalaza aza fa, ny anjely mihitsy no tonga eo mampianatra azy.

♦ Namoaka ny andiany faha-13 nisalotra ny anarana hoe : "Fanantenana" niofana arak'asa tao aminy, ny foibe misahana ny fahaleovan-tenan'ny vehivavy eny amin'ny FMA Ampasanimalo androany... ♦ Manohy ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ny MInisteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Notoloran'ny Ministry ny Fahasalamana fitaovana ireo Ivon-toeram-panofanana mampiofana ho Paramedy na ny IFIRP manerana ny Nosy... ♦ Ny 2% amin'ny fiofanana momba ny famokarana ihany no mipaka mivantana eny amin'ny tantsaha, ary ny 10% amin'ny famatsiam-bola ihany no tonga eny ambanivohitra, hoy ireo tantsaha mpiofana...

Manana otrik’arena goavana ara-tontolo iainana ampandrosoana ny firenena ny faritr’i Sofia. Havokavoky ny karazan-javamanan’aina eto amin’ny nosy ity faritra ity hoy Dokotera Manantsoa Clermond, Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Sofia. Isan’ny mitana ny laharana voalohany noho ny fananany morontsiraka 450 kilometatra, sy helidrano miisa dimy ny faritra.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...