♦ Tsy haingitraingitra ny fisian'ny lalàna momba ny heloka an'habaka saingy mila jerena akaiky koa ny tolo-dalàna hahafahana misitraka loharanom-baovao sy vaovao ho an'ny daholobe hoy i Fah Andriamanarivo, mpanao gazety... ♦ Nivoaka omaly ny didim-pitondrana nosoniavin'ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison izay manendry ireo mpikambana ao amin'ny kômity teknika hisahana ny fikaonan-doham-pirenena... ♦ Andro vitsy mialoha ny hiverenan'ny mpianatra an-tsekoly, misy indray ireo sendika eo anivon'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena manambana ny hanao fitokonana...

♦ Voatendry ny anaran'ireo mpikambana ao anatin'ny kômity teknika misahana ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Vondrona pôlitika maromaro no efa nakàna hevitra momba ny fanomanana ny fifidianana teny Iavoloha. Tena fakàn-kevitra no natao fa tsy dinika pôlitika hoy ny Filohan'ny Antoko Ilo Mada, androany... ♦ Nankatoavin'ireo parlemanta amerikana roa tonta ny hanitaran ny AGOA amin'ny taona 2028. Antoka fahamarinan-toerana ho an'ireo mpanondrana sy mpampiasa vola eto Madagasikara izany hoy ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifàna... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona matin'ny EBOLA any RD Congo...

♦ Mila hamafisina ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara hoy Profesora Mahazoasy Freddy. Apetraka ny sazy toa ny fametraham-pialàna ho an'ireo kandidà tsy mahatanteraka ny fandaharan'asany hoy ity mpanao politika ity... ♦ Mijoro amin'ny fomba ôfisialy eto Madagasikara ny Fikambanana FANJIRY. Tao Andemaka, Distrikan'i Vohipeno no nanaovana ny lanonana momba izany omaly... ♦ Nisafidy ny tarika Reko, ho masoivohony vaovao mandritry ny roa taona ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar. Tarika manana ny lazany ankafizin'ny maro, indrindra fa ny tanora, nitsangana tamin'ny taona 2017...

Manamarika ny "Jobily kristaly" miampy taona iray ny fandaharana "MBA HO VANONA", fandaharana nanabeazana sy mbola mandray anjara amin'ny tantsoroka ha-olom-banona ny mpihaino. Ho tohin'ny ezaka dia irina ny hananan'ny tsirairay fahasalamana sy fahavanonana, indrindra fihavaozana anatin'izao kihon-dalana lalovan'ny Firenena izao dia ny fanavaozana. Miainga amin'ny tsirairay ny fanavaozana, mifototra amin'ny fihavaozan'ny toe-tsaina sy ny fomba fijery miabo. Teboka kely indrindra azo hiaingàna ny fahadiovana, io ny handrafitra tsikelikely ny rafi-tsaina. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...