12 aprily — Ny Masindahy Jules resahana amin'ity andor ity dia ilay papa tamin'ny taonjato fahefatra. Jules Voalohany no nahalalana aza, teraka tao Roma ny taona 280 ary nandray ny Fiketrahana Masina ny 06 febroary 337 hatramin'ny 12 aprily 352. Izy no papa faha-35.
Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Nihaona tany Paris androany, Andriamatoa isany Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery, Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara teo aloha. Niresaka ny olana samihafa sedrain'ny vahoaka Malagasy ankehitriny izy ireo... • Tsy anavahana firehana na antoko politika, fa vonona hisokatra sy haira-miasa amin'ny Ben'ny Tanana rehetra ny fitondram-panjakana... • Hiaro ny tombontsoan'i Frantsa no antony hahatongavan'ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron eto Madagasikara, raha ny hevitry ny Komity Foiben'ny antoko MFM...
• Efa mivoaka ireo sary famantarana sy hira faneva ho fankalazana ny Andro Nasionaly ho an'ny Vovonan'ny Olondehibe... • Nozaraina ho Vikaria Episkopaly telo ny Diosezin'i Farafangana... • Nanao antso avo ho fanafoanana ny sazy fanamelohana ho faty, ny Papa François...
• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco