I Masimbavy Angèle Mérici, mpanorina ny fikambanana Ursulines no tsaroana ny 27 janoary. Teraka tao Desenzano, akaikin'ny farihin'i Garde tamin'ny taona 1474 i Angèle Mérici. Fanirian'ireo ray aman-dreniny, izay tena kristianina tokoa, ny mba hahitan'ireo zanany ny fahasambarana ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra.
Ny vavaka dia mila fifantohana tanteraka. Ny vavaka dia mila fanazaran-tena, indrindra ny fametrahana ny fiainana amin'Andriamanitra. Mila mifantoka amin'Andriamanitra isan'andro ny olona mivavaka. Ny fandinihana masina, ny tonom-bavaka samihafa dia isan'ny ireo fomba ahafahana mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco