Miseho amin'ny endrika maro samihafa ny tsy finoana an'Andriamanitra : io no fositra lehibe indrindra amin'izao andro izao. Ny fihamboana tafahoatra ho olona afaka dia mitarika tsy hino an'Andriamanitra. Miseho ho zava-nianarana sy nalamina ny tsy finoana an'Andriamanitra amin'izao andro izao ka asesiny mafy ny olona haniry hizaka tena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
♦ Ao anatin'ny fanaraha-maso ireo fepetra hahafahana misitraka ny famatsiam-bola ao anatin'ny FEC sy FRD ny iraky ny FMI tahirim-bola iraisam-pirenena ankehitriny... ♦ Nisitraka fampitaovana momba ny "informatique" avy amin'ny PNUD entina hanohanana ny fanavaozana ny asam-panjakàna i Madagasikara... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny fanaovana vaksiny Mpox eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara, mbola latsaky ny 10.000 isa no vita vaksiny, ankehitriny... ♦ Fandresena tanteraka ho an'i Etazonia ny fampitsaharana ny ady any Moyen-Orient, mandritra ny 2 herinandro...
♦ Fikorontanana noho ny fandaminana avy amin'ireo orinasa mpaninjara solika sy ny fiakaran'ny filàn'ny mpanjifa no mahatonga ny tsy fisian'ny lasantsy amina tobin-tsolika sasatsasany amin'izao hoy ny OMH... ♦ Hihaona amin'ny MInistry ny Fahasalamam-bahoaka hiresaka momba ny olan'ny fahataran'ny pré-salaire an'izy ireo anio ny Union de Internes de Madagascar (UIM)... ♦ Tanterahina ny talata 14 avrily izao etsy amin'ny CCI Ivato ny fanokafana ny Fikaonan-doham-pirenen'ny Tanora hiarahana amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena...
Na sokajiana ho olon-dehibe aza ny olona iray dia azo antoka foana fa misy zavatra hafa mety tsy hananany traik'efa taminà andram-piainana. Ny olon-dehibe dia efa matotra, efa tompon'antoka amin'ny fiainany, mahaleo tena sy manana traik'efa. Tsy fanabeazana intsony no tena omena ny olon-dehibe noho ireo traik'efa efa ananany, fa tantsoroka no omena azy, izany hoe fanampiana. Ny fientanam-po dia tokony ho hay ny fitantanana azy sy ny fanahy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco