20 février — I Masimbavy Aimée dia avy amin'ny fianakaviana kristianina malaza tao Assise. I Masimbavy Claire, ilay nanara-dia an'i Masindahy François d'Assise no nenitoany ary i Frère Rufin no dadatoany.
Vao vita Batemy i Jesoa, ka feno ny Fanahy Masina, talohan'ny niasany, nampianarany ampahibemaso dia nandeha nivavaka nanao laretirety 40 andro sy 40 alina tany an'efitra, tsy nisakafo tsy nisotro ; vita izay dia azon'ny fakam-panahy Izy fa vavaka no niadivany sy nitolomany tamin'izany. Ady no nataony tamin'ny alalan'ny vavaka hanoherany ny Sampy sy ny fahefàna... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Tsy mitsaha-mitombo ireo olona traboina vokatry ny ora-mikija tato anatin'ny andro maromaro, ho an'Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina manodidina. Tombanana ho efa tafakatra 6.000, izany... • Ny antsasaky ny tokantrano malagasy, izany hoe 5 hetsy sy 2 tapitrisa, no kendrena ho tafiditra amin'ilay RSU Rejisitra Sosialy Tokana, hatramin'ny volana jona 2025... • Nosokafana androany ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny LMA, Lycée Moderne Ampefiloha...
• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco