Hatramin'ny fanovana nataon'ny Papa Paul VI, dia ankalazaina miaraka ny fetin'i Masindahy Basile sy i Grégoire de Naziance. Samy teraka tany Cappadoce nanodidina ny taona 330 izy mirahalahy ireto. I Basile avy any Césarée fa i Grégoire kosa avy any Nazianze. Samy nipoitra avy amina fianakaviana tena kristianina izy ireo.
Arahabaina isika mianakavy nahatratra izao taona vaovao izao. Enga anie ity taona ity hitondra hafaliana sy fiadanam-po ary indrindra mba hampanjakantsika mianakavy ny rariny sy histiny eo amin'ny fiaraha-monina. Fa ankalazaina amin'izao fiandohan'ny taona izao i Masina Maria Renin'Andriamanitra. Arahabaina manokana ireo arovan'izany Renin'Andriamanitra izany.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco