♦ Mangataka ny hanemorana ny fanatanterahana ireo asa lehibe tsy laharam-pahamehana kanefa mandany ny volam-bahoaka, ny antoko MMM... ♦ Nihemotra, ka any amin'ny faran'ny volana septambra indray vao ho tafaverina eto Madagasikara, ireo sokatra sy varika nisy nanondrana tany ivelany, ka tratra tao Thailande... ♦ Nodimandry androany maraina i Rampal ao amin'ny Tarika Rebika, ary hotanterahana anio ny fandevenana an'i Simon Randria...
Notendren’ny Papa François ho evekan’Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzôfia - Masindahy François de Sales ao Toamasina.
♦ Mbola tsy isan'ireo Solombavam-bahoaka mandray anjara amin'ny asany eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoakan'i Vangaindrano noho ny famonjana azy. Asan'ny Fitsarana izany, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famaritana ny atao hoe mpampaneno lakolosy ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Misedra olana vokatry ny fihenan'ny rano any Andekaleka ny famatsiana herinaratra amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo. Manjaka ny fahatapahan-jiro mifandimby...
♦ Aleo halalaka amin'ny fotoana hananganany ny Governemanta, ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin... ♦ Miara-miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, ny Diôsezin'Antsiranana sy ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Nanatrika ny fanambarana ôfisialy momba izany ny Minisitra Max Fontaine Andonirina sy ny Arsevekan'Antsiranana Mgr Benjamin Marc Ramaroson... ♦ Firenena isan'ny manana tanjaka ara-toekarena eran'izao tontolo izao i Chine. Manohana ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara izy ireo...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco