♦ Notokanana tamin'ny talata 16 jolay 2024, ny toerana izay misy ireo Masera Notre-Dame du Mont Carmel avy any Inde. Hiasa ao amin'ny faritra Avaradrano, Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka ny alakamisy teo ny andiany faha-40 amin'ny Fihaonambe sy Filankevitra Nasiônaly tanterahan'ny ACUM... ♦ Tanterahana any Asuncion, renivohitr'i Paraguay, nanomboka ny alatsinainy teo ny Fihaonambe faha-21 ho an'ireo miandraikitra ny Pastôralin'ny Tanora any Amerika Latina sy ny Nosy Caraïbes...
♦ Ao anatin'ny fandinihana ireo paikady hahafahana manafaingana ny fampandrosoana ireo Distrika nahazoany fandresena ny FIVOY, ankehitriny... ♦ Namoy namana iray indray ny fianakaviamben'ny mpanao gazety. Nodimandry teo amin'ny faha-51 taonany i Razanakarivelo Herinanahary Alain, fantatra amin'ny anarana hoe HERNAN Rivelo... ♦ Antoka iray hahafahana maka fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny zava-misy, ny fananana antontam-baovao sy antontan'isa ara-potoana sy mitombina. Dinihina amin'ilay atrikasa rejiônaly tanterahana eto Madagasikara izany...
♦ Nahitana hetsika avokoa ireo oniversitem-panjakana miisa telo. Tsy olana vaovao fa mifandraika amin'ny vatsim-pianarana sy ny foto-drafitrasa hatrany no nitarika izany... ♦ Antony iray manahiran-tsaina ny fitondrana ka tsy amoahany ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsain'ny Tanàna, ny fandresen'ny mpanohitra tany amin'ny renivohi-paritany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, hoy ny SFDM... ♦ Nahitana fihenana hatrany amin'ny antsasa-manila ny tranga fanolanana, manerana an'i Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana...
♦ Miandry ny fitsanganan'ny Governemanta vaovao, vao mety hisy ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina. Mijanona ho soson-kevitra hatramin'izao ilay datin'ny 6 nôvambra naroson'ny CENI... ♦ Volamena maherin'ny 6.400 kilao no tafavoaka an-tsokosoko teto Madagasikara, teo anelanelan'ny taona 2019 sy 2023... ♦ Mbola sarotsarotra ny famerenana amin'ny laoniny ny herinaratra any Toamasina, tao aorian'ny fahatapahana faobe omaly hariva. Vinavinaina mbola hitohy hatramin'ny rahampitso hariva ny asa, hoy ny JIRAMA...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco