Mila mandray andraikitra amin’ny fahasimban’ny tontolo manodidina sy ny ala ao amin’ny toerana misy azy ny tantsaha eny ambanivoitra. Mila fahaizana sy fifehezana ny teknika nefa ny fanataterahana izany. Mahatsapa izany ny Réseau SOA ka nampiofana tamin’ny alalan’ny atrik’asa momba ny tsara ho fantatra amin’ny fanarenana ny tontolo manodinana sy ny ala na ny RPF tao Antanetibe Mahazaza ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo an’ireo mpikambana avy amin’ny fikambanana SoaMitsinjo sy ny Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI...
♦ Efa nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora ireo olona miisa 4, voarohirohy tamin'ny famonoana ilay tovovavikely tany Ambositra. Miantso fitoniana ny ray aman-dreniny... ♦ Hisy isan'andro isaky ny amin'ny 6 ora sy sasany hariva ny tatitra ataon'ny Ivon-toeram-pibaikona mandridra ny ady atao amin'ny tsy fahitàna olona (CCO)... ♦ Handray fepetra hafa amin'ny fanendrena ireo lehiben'ny vaomiera mpanisa mpifidy eny ifotony ny CENI, manoloana ireo olana misy eny amin'ireo fokontany sasany... ♦ Samy miandry fatratra ny hanombohan'ny dinika nasiônaly ireo mpisehatra politika sy mpitarika fivavahana any RDC...
Lasa ampahany lehibe amin’ny fiainan’ny tanora ankehitriny ny interneto sy ny tambajotra-tserasera. Sehatra iray manampy amin’ny fianarana, fifandraisana, fitadiavana vaovao, fanehoana talenta ary fananganana fahafahana vaovao izy ireo. Kanefa, miaraka amin’izany dia misy ihany koa ireo loza mety hitranga toy ny vaovao diso, fanorisorenana an-tserasera, fisolokiana, famitahana ary fampiasana tafahoatra. Ny interneto dia fitaovana mahery vaika; miankina amin’ny fomba ampiasantsika azy no hahatonga azy ho fanampiana na ho fandrika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona araka ny fomba malagasy, nanomboka ny taona 2021 no nananganan'ny Papa François ny andro maneran-tany ho an'iretsy voatanisa etsy aloha. Tamin'ny alahady 26 jolay 2026 teo no fankalalazana natao teo anivon'ny fiangonana, izay fankalazana ny fetin'i Masindahy Joachim sy Masimbavy Anne, ireo ray aman-drenin'i Masina Maria, izany hoe raibe sy renibe an'i Jesoa. Ny soatoavina Malagasy dia manome lanja sy haja ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco