♦ Notanterahana ny 8 hatramin'ny 11 aprily 2024 ny fivoriana ara-potoana fanaon'ny Jutice et Paix isan-taona, ka nentin'izy ireo nanomezana hafatra ho an'ny vahokan'Andriamanitra... ♦ Hotanterahana ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka sy fametrahana eo amin'ny fiketrahana maha Eveka hitantana ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Anisan'ny herim-panahy mahatonga tena handresy ny ratsy marina tokoa ny faherezana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nentiny tamin'ny Audience Générale, tamin'ny alarobia 10 aprily 2024...
♦ Lehiben'ny Distrika sy Préféts maherin'ny 30 no nosoloina omaly, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra. Heverin'ny maro fa misy antony noho ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024 izany... ♦ Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana fampiharana ny lalàna vaovao mifehy ny harena ankibon'ny tany. Fanovana no nentina, hisian'ny aingavao entiny amin'ny toe-karem-pirenena... ♦ Tanora hatramin'ny 7 hetsy isa isan-taona no tokony hiditra amin'ny sehatry ny asa. Maro amin'izy ireo anefa no tsy manana ny fahaiza-manao takian'ny orinasa...
♦ Nanome hafatra ny Justice et Paix eto amintsika, tao aorian'ny fivorian'izy ireo tamin'ity herinandro ity. Voaresaka avokoa ireo zava-misy iainan'ny Malagasy amin'izao fotoana izao... ♦ Mety hivoaka amin'io herinandro io ny lisitra ôfisialin'ireo ho kandidà Solombavam-bahoaka. Mbola afaka mitondra ny raharaha any amin'ny HCC ireo nolavin'ny OVEC ny firotsahany ho fidina... ♦ Nogiazana eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara ilay volamena 450 grama tsy ara-dalàna. Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity ny eo anvion'ny Pôlisin'ny Harena ankibon'ny tany...
♦ Marefo ny fihavanana ka mila fanafody, hoy ny hafatry ny Justice et Paix eto Madagasikara. Nivory teto Antananarivo nandritra ny efatra andro ity vaomiera ity, nitondra hafatra momba ny zava-misy iainan'ny Malagasy... ♦ Maromaro ireo kandidà Solombavam-bahoaka no tsy nahafeno ny antontan-taratasy firotsahany, nolavin'ny OVEC... ♦ Tsy mahafaly ny mpiasa ilay fisondrotan-karama notapahana ho an'ity taona 2024 ity, hoy ny sendikà FISEMARE androany. Hafana ny hetsika fanoherana izany amin'ny voalohan'ny volana mey...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco