Nataon'Andriamanitra ho tsara indrindra amin'izay rehetra nohariny isika olombelona. Aoka tsy hosimbaina na holotoina na horavana izay hatsarana ao amintsika izay, dia ho hitantsika fa hihatsara sy handroso ary hivelatra ny fiainantsika.
20 ôktôbra — Niaina tamin'ny taonjato fahafito i Irène de Tomar na Irène du Portugal. Teraka tao Tomar tao Portugal izy ary kristianina mafana fo ny ray aman-dreniny. Nankinina tamin'ireo nenitoany, relijiozy, ny fanabeazana azy, dia i Julie sy i Chaste izany.
19 ôktôbra — Teraka ny 03 janoary 1694 tao Ovada tany Italie i Paul Danei. I Luchino Danei sy i Anna Maria Massari no ray aman-dreniny. Mpivarotra no asan'ny rainy ary enina ambin'ny folo mianadahy izy ireo no naterak'izy mivady. I Paul no zokiny indrindra, ary enina mianadahy izy ireo no velona fa ny sisa dia maty mbola kely avokoa.
18 ôktôbra — Tamin'ny taonjato voalohany i Luc no niaina, Syrien izy ary teraka tao Antioche. Misy milaza fa mpanompo sampy i Luc, nefa ny tahirin-kevitra sasany milaza fa nanaraka ny fombam-pivavahana jody izy. Mpitsabo no asany, fa nana-talenta tamin'ny hoso-doko ihany koa.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco