Mandritry ny torimaso no miala sasatra ny saina sy ny vatana ary hanovozana herim-batana sy herin-tsaina ; ao anatin'ny torimaso no manavao ny sela ny vatana sy ny taova, manamafy ny hery fiarovana. Mandritry ny torimaso no miasa ny atidoha manamafy ny fitadidiana sy mandray ho raikitra izay fahalalana noraisiny ary manivana izay tsy ilainy, amin'io fotoana io no mandamina ny fiasany ny tsirim-panentana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ 17 taona katroka androany ilay raharaha fitifirana teny Ambohitsirohitra ny 7 febroary 2009. Nangingina ny hetsi-pahatsiarovana raha ny hita ny tapany maraina teo... ♦ Manamarika ny faha-13 taona nijoroany eny Anosy, androany, ny antoko KINTANA. Mbola mitàna hatrany ny rafitra "Federalisma" tokony hitondràna ny firenena ity antoko ity... ♦ Lehilahy telo no nodorana velona tany Soanindrariny, Distrika Antsirabe-II. Voatondro ho nanataka kibom-behivavy bevohoka, haka ny mason'ilay zaza ao am-bohoka izy ireo... ♦ Hifarana anio 7 febroary ny fe-potoana hitantanan'ny filan-kevitry ny fitondrana tetezamita any Haïti...
♦ Mangataka ny hamindràna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga hotsaraina eto Madagasikara ny Ministry ny Fitsaràna Malagasy. Tompon'andraiki-panjakàna maro no nihaona taminy nandritra ny fitsidihana tatsy Maorisy... ♦ Hiakatra 14,5% ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina amin'ity taona ity. Ny karama farany ambany ihany no anefa no neken'ireo vondron'ny mpampiasa fa voakasik'izany fampiakarana izany... ♦ Hanambana mivantana ny ilany afovoany antsinanan'ny nosy ilay faritra andro ratsy ao amin'ny ranomasimbe Indiana ny fiandohan'ny herinandro io. Ahiana hivadika ho rivo-doza izy ato anatin'ny 48 ora...
Ny GERP dia vondrona iray miaro sy mikaroka ny gidro, ny varika sy ny ala eto Madagasikara, miaro ny tontolo iainana. Ilaina ny fanamaitsona ny tontolo sy ny fambolen-kazo mba hanavotana ny zava-manan'aina rehetra ; misy ny roh mampifandray ny olombelona sy ny tontolo iainana. Ny fambolen-kazo dia tokony hakendry ireo toerana misy fahasimbana (ngazana, mihotsaka...), anefa tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso azy ireny. Ilaina hatrany ny mamantatra ny karazan-kazo tokony hovolena, torak'izany koa ny toerana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco