Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izy; na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy."

♦ Fanamby lehibe ho an'ny Diôsezin'i Moramanga ny fanatonana ny vahoaka amin'ny fanatanterahana ny Sinaody... ♦ Notsofin-drano tamin'ny sabotsy 21 mey 2022 ny "podium" ao Soavimbahoaka, ho fahatsiarovana an'i Fr. Raphaël-Louis Rafiringa... ♦ Marihana ny 22  hatramin'ny 29 mey 2022 ny fahafito taonan'ny Ansiklika "Laudato Si'", nosoratan'ny Papa François...

♦ Lalana sy fitaovana entin'ny pretra manamasin-tena ny fiofanana maharitra, io no nivoitra tamin'ny fihaonan'ireo tompon'andraikitry ny fanofanana maharitra ny pretra, teny Ambatoroka ny 18 sy 19 mey 2022... ♦ Nomarihana ny 18 mey 2022 ny fankalazana ny faha-42 taonan'ny Sekoly Venance Manifatra (SEVEMA), ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nivahiny nandritra ny telo andro tany Ukraine i Mgr Paul Gallagher, Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao amin'ny Fiketrahana Masina...

Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...