27 aogositra — Teraka tao Thagaste tamin’ny taona 331 i Masimbavy Monique. I Thagaste moa dia ilay antsoina hoe Souk Ahras ao Algerie amin’izao fotoana izao. Ary nodimandry tao Ostie i Monique ny taona 390.

♦ Hivavaka sy handalina ny finoana no tanjon'ny JMJ Mada X, hoy i Mompera Jean Luc Ratovonjanahay, Amônien'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora... ♦ Tontosa ny sabotsy 20 aogositra teo ny fanamasinana ho pretra roa sy diakra dimy, ho an'ny Diôsezin'i Mirinarivo... ♦ Hankalazaina amin'ny 28 aogositra ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo sy fanamasinana ireo ho pretra sy diakra. Misy ny fandaminana manokana momba izany...

26 aogositra — I Zefferino Namuncura dia teraka tamin’ny 26 aogositra 1896 tao Chimpai. Zanak’i Manuel Namuncura izy, fanta-daza tamin’ny tamin’ny fokon’ireo Mapuche izany rainy izany, any amin’ny faritr’i Río Colorado.

25 aogositra — Teraka ny taona 1215 i Louis, natao batemy tao Poissy izy ary tsy maty tao am-pony izany finoana izany ka nahatonga azy hitonona hoe Louis de Poissy rehefa manao sonia na dia amin’ny fiainany andavanandro aza.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...