• Asa goavana miandry ny Minisiteran'ny Fitsarana amin'ity taom-piasana vaovao ity, ny fanaraha-maso ny fifidianana rehetra hotanterahana eto Madagasikara, isorohana mialoha ny hala-bato. Eo koa ny fampodiana an-tanindrazana ireo vola an'ny fanjakana Malagasy izay voageja any ivelany, hoy ny Minisitry ny Fitsarana... • Nampahafantarina ireo mpandraharaha malagasy tamin'ny alalan'ny atrikasa androany teny Antaninarenina, ny dingana sy ny fepetra takina raha hanondrana entana any Eoropa... • Tsy hisy fanerena ny fisoratana anarana biometrika hotanterahana manerana ny nosy. Tsy hisitraka ireo tolo-draharaham-panjakana kosa ireo tsy ao anaty angon-drakitra...

Nizotra araka ny namaritana azy ny sehatr’asan’ny tetik’asa Profi-Lait tamin’iny taona 2025 lasa iny. Niakatra ny taham-bokatra hoan’ireo mpamokatra miara-miasa amin’ny tetik’asa noho ny fampidirana an’ireo haitao ara-teknika niainga tamin’ny fanatsaràna ny sakafon’ny omby sy ny fanatsaràna ny taranaka. Iray amin’ny tetik’asa tantatan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB anatin’ny fandaharan’asa AFAFI Centre tohanan’ny Vondrona Eraopeana vola ny Profi-Lait Plus.

♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fisian'ny aretina samihafa sy ny fitsaboana azo atao toy ny fanaovam-baksiny, ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana... ♦ Loza mitatao, hoy ny mpanao gazety Maka Alphonse, raha tsy voahevitra sy voalanjalanja tsara ny mety handraisan'i Madagasikara an'ireo mpifindra-monina... ♦ Nihazo an'i Toamasina indray androany ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël, mivady, sy ireo mpanolontsaina avon'ny fanavaozana roalahy... ♦ Noravain'ny praiministra japoney, Sanae Takaichi, androany, ny antenimieram-pirenena any Japon...

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana no hankalazaina ny sabotsy 24 Janoary 2026 izao, izay andraisana ny lohahevitra mikasika ny fanabeazana ara-pahasalamana hafahan’ny isam-batan’olona mandray ny fahalalàna mivoatra hananana fomba fiaina raikitra misoroka aretina. Ny fanabeazana ara-pahasalamana dia dingana fanabeazana izay mikendry ny hanatsaràna ny fahasalaman’ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...