Feno 43 taona tamin'ny 28 mai teo ny nanamasinana ho Eveka ny Papa Emérite Benoît faha-16. Fanamasinana notanterahina tao amin'ny katedraly Notre-Dame de Munich any Allemagne.

(27-05-2020) Ny safidy sy ny talenta nomen' Andriamanitra no maha tafita eo amin'ny fiainana.

Natokana ho androm-pivavahana sy fifadin-kanina ary fanaovana asa soa ny andron’ny 14 mai, araka ny tolokevitry ny »Haut Comité pour la Fraternité Humaine » ka nankatoavin’i Papa François.

Katsaho ny maha izay anao dia ny mampiavaka anao amin'ny hafa izany. (13-05-2020)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...