Noho ny adidy sy andraikitra lehibe eo anoloan'ny reny dia maro ny tantsoroka ho an'ireo reny sy ireo ho reny, avy amin'ireo manana traikefa sy ireo mpahay toetr'olona. Ny reny dia manana filàna toa ny olona rehetra, manana zo amin'ny fialamboly. Manana adidy hizara izay handram-piainana efa niainany ny reny ho an'ny zanaka vavy sy ny tanora. ... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tontosa omaly hariva ny fianianan'ireo mpanolotsaina ambony telo vaovao eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Voafaritry ny fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka ny fanaovana fisavana trano (perquisition), handraisana fepetra ary melohiny ny fanaovana izany tsy mifanaraka amin'ny lalàna... ♦ Hitohy anio ny fandinihan'ny Fitsaràna atsy Maorisy ny momba ilay fangatahana fahafahana vonjimaika nataon'ilay mpandraharaha Malagasy Maminiaina Ravatomanga... ♦ Montréal Canada : Andian-dehilahy nisalotra ankanjonà dada noely sy ireny lutins ireny no nanafika tao aminà tranombarotra lehibe, nangalatra sakafo...
Mandritry ny fidiran'ny mpitarika otronon'ireo pretra miaraka mankalaza sy ny mpanotrona eo amin'ny sorona no hanaovan'ny vahoaka ny tononkira mifanandrify amin'ny venti-kevitry ny litorjia ankalazaina amin'iny andro iny, izay ilay hira fidirana. Ny tononkira fidirana dia teny avy amin'ny Soratra Masina, fohy mamintina na mampifandray, ny foto-kevitra amin'iny andro fankalazana iny... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nanda ny filazana azy ireo ho nametra-pialana ny mpanolotsaina avo ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Vonona hiala amin'ny toerany nefa izy ireo raha izay no ilaina... • Mitaky ny hanaovana ny fikaonan-dohan'ny olom-pirenena eto amintsika. Tokony hiainga any amin'ny Kaominina izany, hoy ny KMF-CNOE... • Ahato aloha ny fandravana trano eny Anosibe Andrefana Voalohany, hoy ny Colonel Randrianirina Michaël, noho ny maha ankatoky ny fety ny nanaovana izany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco