Isan'ny didy mahavery ny olona any amin'ny afobe fandikàna ny didy faha-7 "Aza mangalatra, aza maniry fananan'olona" izany hoe ny maka na ny mitana na ny manimba tsy ara-drariny ny zavatr'olona. Antony izany dia noho ny tsy fahavitan'ny fanonerana ny fahotana. Fahotana mahafaty ny mangalatra sy ny manao izany an-tsitrapo. Tsara kokoa ny miala amin'ny fikasana hangalatra satria ny fanirina ihany koa dia efa heloka... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Amin'ny alalan'ny andraiki-panompoan'ny mpandraharaha voahosotra, singanina manokana ny Eveka sy ny Pretra dia manajary hita maso eo anivon'ny ankohonan'ny mpino ny maha-misy eo an'i Kristy, amin'ny maha-filohan'ny Eglizy Azy. Araka ny fomba fiteny mahafinaritr'i Masindahy Ignace d'Antioche, ny Eveka dia toy ny sary velon'Andriamanitra Ray... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

♦ Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon'ny antenimieran-doholona ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2026... ♦ Miankina amin'izay tapaky ny mpizaika mandritra ny fikaonandoham-pirenena ny tohin'ny fitakiana ireo Nosy manodidina hoy ny Filoham-panjakàna Michaël Randrianirina... ♦ Disitrikan'i Vohemar sy Sambava / Olona 29 nogadraina, trano 80 tafo no rava, vokatry ny disadisa amin'ny fitantanan'ny MBG ny Faritra arovana sy ny Fokonolona... ♦ Ny filoha Amerikana Donald Trump no nahazo ny loka "Prix de la paix de la Fifa" tamin'ity taona 2026 ity...

♦ Fanirian'ny Malagasy ny hiatrehan'Andriamatoa isany Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina ny Fitsaràna eto an-toerana hoy ny Filoham-panjakàna Kôlônely Michaël Randrianirina raha nivahiny tao amin'ny fahitalavitra France24... ♦ Nomena sehatra tamin'ny varavarana nisokatra nokarakarain'ny ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ny fampahafantarana ny olom-pirenena ny vola tokony aloha sy ny ady amin'ny kolikoly amin'ny tontolon'ny fananan-tany... ♦ Nidoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay mpamily nandona mpianatra tetsy Tsarasaotra rehefa niakatra fampanohavana omaly...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...