Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 20 taona mahery. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombontsoa hoy ny mpitarika, Ranaivoarison Basile (Papa Bio). Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

Tapa-kevitra hamaky lalana vaovao, hamahana ny olana momba ny fifaneraserana ao aminy sy ny manodidina azy, ny kaominina ambanivohitra Antsapanimahazo distrikan’i Faratsiho faritr’i Vakinakaratra. Mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny fifamezivezena sy ny famoaham-bokatra ary ny fitondrana ny marary any amin’ny toeram-pitsaboana ny mponina ao an-toerana...

• Nitana ny teny nomeny ka tonga teny Ambohijatovo ary nanao ny diabe am-pilaminana ny tanora Gen Z... • Miroso amin'ny fandaminana sy ny fanatsarana ny toerana eny Ankorondrano ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Milaza ho voadingana tsy nahafantatra ny tetikasa ny Fokontany... • Laharam-pahamehana ho an'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoka ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ny fanatsarana ny tolotra omena ny olom-pirenena...

Ny sakana dia zavatra na toe-javatra manelingelina ary tsy mamela anao handroso hahatratra tanjona iray. Ny tontolo vaovao dia ilay tontolo iainantsika amin'izao fotoana izao, izay ahitana toe-javatra na toe-piainana miova ka mitaky antsika hifanaraka aminy. Ny firaisankina dia fiaraha-mientana sy fifanohanana eo amin'ny olona maromaro. Manoloana ny sakana dia ilay ny firaisankina : mifampiresaka sy mifampihaino, mifanampy amin'ny zavatra atao, mifampizara andraikitra anaty fifanajàna sy fifandeferana ary fifankatiavana ; ireto farany dia fanohitra hatsara ny ho avy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...