Ny Litorjia eto an-tany dia fandraisana anjara amin'ny fiderana any an-danitra, miaraka amin'ny Anjely sy ny Olomasina. Na mbola miaina amin'izao tontolo izao aza isika olombelona, dia efa mandray anjara amin'ny Litorjia any an-danitra amin'ny alalan'ny fankalazàna ety an-tany. Ny Litorjia dia vavahady manokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Niakatra fitsarana momba ny raharaha famotsiam-bola hanenjehana azy atsy amin'ny nosy Maurice androany, Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Nentina hopitaly hafa indray ity mpandraharaha Malagasy ity, tao aorian'ny fakana am-bavany azy... • Namaly ny Tale Jeneralin'ny CNaPS ny orinasa SMGD androany, momba ilay fisamboram-bola 11 miliara Ariary, tao amin'ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy... • Heverina hivaha ny olana nanaovan'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana fitokonana lavareny. Nataon'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sonia androany, ny fifanarahana mirakitra ny fitakian'izy ireo...
♦ Nohainoana teny amin'ny fitsaràna tao Port Louis Maorisy taorian'ny fanadihadiana nataon'ny FCC azy ny maraina teo ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga... ♦ Nilaza ny hametraka fitoriana eny amin'ny Fitsaràna ny sendikà mahaleotena eo anivon'ny Kaominina Antananarivo, noho ny feo mandeha fa misy mikasa handoro ny Lapan'ny Tanàna... ♦ 06 novambra 1995, feno 30 taona anio ny nahamay ny rovan'i Manjakamiadana, tsy mbola misy mangirana hatramin'izao ny antony nahatonga ny fahamaizana sy ny olona nanao izany... ♦ Nanentana ny mpino hivavaka mba hisian'ny fandriampahalemana manerantany ny Pape Léon-XIV...
Ny mitantana firenena dia fandraisan'anjara ; ny kara-panondrom-pirenena dia midika fananana andraikitra sy adidy amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ny fanantenana amin'ny mety ho fandrosoan'i Madagasikara dia miainga amin'ny tsirairay, ialàna lavitra ireo toetra sy fomba mamotika ny firenena toy ny fandrobana vola sy ny harena maro samihafa. Ny toe-tsaina dia singa iorenan'ny fomba amam-panao mitondra amin'ny fahavononana. Sotoavina tsara tazomina : fifanajàna, fahamarinana, fifampitokisana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco