♦ Namoaka ireo tanora nahavita fianarana tao aminy androany ny Ivon-toerana ambony Saleziana Don Bosco momba ny Filôzôfia ao Ankofafa, Fianaratsoa ISSaPhi SDB. Notolorana ny mari-pahaizana Licence ireo andiany nivoaka... ♦ Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa ao anatin'ny 2 volana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery... ♦ Anjakan'ny teratany vahiny ny sehatry ny famokarana herinaratra eto Madagasikara hoy ny kômity iombonana ho an'ny fanarenana ny orinasa JIRAMA ka mila andraisana fepetra izany...

Ny tsiky dia avy ao anaty, midika hafaliana io no mitondra fitoniana ; endrika ivelany ahatarafana sahady ny finiaivana hametraka fiovana, manome lanja ny fifandraisana sy ny fifampihainoana. Manana anjara adidy fampandroso ny firenena ny tsirairay, ny hevitry ny maro mantsy no mahataka-davitra. Ny olona vanona sy vonona dia miasa an-drariny ary miteraka fampandrosoana maharitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanao rano lava ny famindram-pahefana teo amin'ireo ministra vaovao sy ny teo alohany. Hiroso amin'ny fanovan-drafitra ny tafika Malagasy hoy ny Ministry ny Foloalindahy vaovao... ♦ Tontosa omaly teny amin'ny antenimieram-pirenena ny fifidianana ireo izay handrafitra ny birao maharitra vaovao. Voafidy ny filoha lefitra miisa enina. Kestora telo ary mpampaka-teny miisa roa... ♦ Miantso fakàn-kevitra ny Vovonana AMEN, mialohan'ny handaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2026. Tokony handalina tsara mialohan'ny fandaniana izany ny solombavambahoaka... ♦ Hihaona amin'ny filoha Xi Jiping ny Filoha amerikana Donald Trump anio alakamisy...

Ny konsily Masina dia maniry hampitombo hatrany ny fiainam-panahy kristiana eo amin'ny mpino ; hanavao amin'ny filàn'ny vanim-potoana ankehitriny ny fomba sy rafitra sasany ao amin'ny Eglizy ; hampiraisana ny Kristiana rehetra ; ary ny hanamafisana ny antso ho amin'ny fiainam-pamonjena ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...