Alahady faha-17 mandavantaona — D — Alahady 27 jolay 2025 : Izay mivavaka tsara, mivavaka amim-pitokiana sy faharetana ; Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Andriamanitra ao amin’ny toerany masina ; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany. Tsy natao hampahalalana an'Andriamanitra izay tokony hataony ny vavaka fa mba hahaizan'ny olombelona mijoro amin'ny maha-olombelona azy ; ny mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra, resaka vokatry ny fo, fitiavana. Ny fivavahana madio dia ny mpanampy ny kamboty sy ny mpitondra tena, ary ny miaro tena tsy ho latsaka amin'ny fahotana...

♦ Tsy azo ampiasaina amin'ny fanadiovana any an-tsekoly intsony ny Datura. Namoaka ranty miantso ireo mpitantana sekolim-panjakàna hanajanona ny fampiasana io zava-maniry io ny Ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka momba ny fahazoan'ny fanjakàna iranianina fiaramanidina tsy ara-dalàna ka mahatafiditra an'i Madagasikara amin'io raharaha io ny ACM. Namoaka fampitam-baovao momba izay ny ACM, omaly... ♦ Mitaky ny hamerenana ireo sendikalista roa amin'ny asa eo anivon'ny orinasa SMMC Toamasina ny FISEMARE. Tsy ara-dalàna ny nandroahana ireo mpiasa ireo, taorian'ny fitorian'ny orinasa hoy ity sendikà ity...

♦ Nihemotra ny fotoam-pitsaràna ny raharaha fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara. Tsy tonga teny amin'ny Fitsaràna fandravàna didy Andriamatoa Rabehaja Jean, izay notoriana amin'izao raharaha izao... ♦ Nidoboka am-ponja ny lehilahy iray, anisan'ny lohandohany amin'ny tambazotra mpisoloky laza adina amina fanadinam-panjakàna. Manao dika mitovy avy amin'ny boky "Lauréat" izy amin'izany asa ratsiny izany... ♦ Mitaraina ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fanatanterahana ny asa. Mbola hisy hetsika hatao rehefa feno ny fepetra, hoy ny sendià SIS.F.M satria tsy mihaino mihitsy ny Ministera tompon'andraikitra...

Ny fiainan'ny relijiozy dia antso sy fanompoana mandra-maty ; rehefa manonona ny voady ampahibemaso ny relijiozy dia mitalaho amin'Andriamanitra sy ireo Olomasina ary ny rahalahy na rahavavy iray fikambanana aminy mba hanampy azy tsy hivadihany amin'ny teny nomeny. Tsy afa-misaraka ny Fiangonana sy ny fanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, isan'ireny ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...