♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo faritra arovana miisa 52 ny teo anivon'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ireo mpitantana faritra arovana... ♦ Miisa 1.213 zazavavy sy tovovavy no tonga niatrika ny lasy nasiônalin'ny fikambanan'ny Fanilon'i Madagasikara, nahatonga solontena tamin'izany ny Diôsezy 19 amin'ny 22 manerana ny nosy... ♦ Distrikan'i Ikongo tsy mbola tapitra ny ady amin'ny tazomoka, tsy mbola foana tanteraka izany ary mitohy ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ataon'ny fitondram-panjakàna an'ireo marary eny anivon'ny tobi-pitsaboana... 

♦ Hisy ny tombana anatiny hanatsaràna ny zotram-pifidianana eto Madagasikara karakarain'ny CENI Foibe sy ny rantsamangaika eny anivon'ny Distrika, Faritra, ary Faritany, izay atao any Mahajanga... ♦ Manana antontan-taratasy lasitra fiaraha-miasa momba ny zo sy ny fahasalamanaa ara-pananahana ho an'ny vehivavy sy ny tanora i Madagasikara vita sonia omaly ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny IPAS momba izany... ♦ Mahatonga ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny mpitondra ny tsy fanomezana vaovao haingana sy mari-pototra amina trangan-javatra iray miseho eto amin'ny firenena hoy ny S.E anivon'ny Transparency International Initiative Madagascar...

I Masina Maria dia mpanalalana (médiatrice), sady mpisolovava (paraclet) miankina tanteraka amin'ny Fanahy Masina sy Jesoa Zanany. Masina Maria dia mpiara-miasa voalohany amin'Andriamanitra amin'ny famonjena ny olombelona. Masina Maria dia renin'Andriamanitra no sady mpikambana voalohany ao amin'ny Eglizy, io no mamaritra fa olombelona tanteraka i Masina Maria na niteraka ny zanak'Andriamanitra aza... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Hotanterahana any Mahajanga ny 27 hatramin'ny 29 aogositra ho avy izao ny atrikasa hanaovana tombana anatiny, hanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Mikarakara ny CENI Foibe sy ny rantsamangaika eny anivon'ny Distrika, Faritra ary Faritany... • Manana antontan-taratasy lasitra, fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny fikambanana IPAS Francophone, momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana ho an'ny vehivavy sy ny tanora i Madagasikara. Antontan-taratasy nosoniavina androany... • Mety hidangana ny vidim-bary amin'ny fotoanan'ny maitso ahitra, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa. Manaitra ny tompon'andraikitra voakasik'izany izy, handray fepetra...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...