♦Miditra ao anatin'ny Hateloana Masina mialoha ny Paka na ny "Tridium Pascal" isika manomboka anio... ♦ Efa ôfisialy omaly hariva fa andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ny alarobia 23 avrily izao. Io andro io izay voafaritra fa hahatongavan'ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara... ♦ Mila manavao ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana manaraka ny vanim-potoana misy ankehitriny ny orinasa Base Toliara, hoy ny Ministry ny Tontolo iainana omaly ; nitondra fanazavana Andriamatoa Andonirina Max Fontaine... ♦ Olona 6 no efa matin'ny aretina "Chykungunya" atsy amn'ny nosy La Réunion, tamin'ity taona ity...
17 aprily — Ny Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Papa tamin'ny taona 155 ka hatramin'ny taona 166 i Masindahy Anicet. Syrien no fiaviany fa maty martiry tamin'ny fitondran'ny amperora Marc Aurèle izy.
Tsy mamelona fotsiny ihany ny Fanahy Masina fa tena mitarika ny vahoaka ho any amin'ilay tanjon-kitodiany, dia ny Fanjakan'Andriamanitra. Io Fanjakàna io no natombok'Andriamanitra amin'ny alalan'ny famondronany ny vahoakany eto an-tany ; Fanjakàna izay tsy maintsy itarina aty aoriana, ambaram-pahatapitry ny taona rehetra ; izay ilay maha-katôlika ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Nankahery ny pretra hijoro ho vavolombelon'ny fahasoavana azo avy amin'ny fanosorana, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin'ny Sorona Masina nanamasinana ireo menaka masina androany teny amin'ny EKAR Antanimena... • Mbola tsy misitraka ny rano fisotro madio ny 40 isan-jaton'ny Malagasy hatramin'izao. Fantatra izany androany, nandritra ny fanokafana ny Herinandrom-pirenena momba ny rano... • Mila manavao ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana manaraka ny vanim-potoana misy ankehitirny ny orinasa Base Toliara, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco