Alahady 04 mey 2025 - Alahady faha-3 – Taona D fankalazana ny Paka : miaraha miasa amin’i Piera fa izany no Eglizy ; Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona. Tsy mitsahatra miahy antsika olombelona ny Andriamanitsika amin'ny alalan'ny Zanany dia i Jesoa Kristy, porofon'izany izay voalaza ao amin'ny Evanjely fa nofahany hatrany ireo ondriny. Ny teny ambara in-telo dia midika fa marina sy tsy azo lavina ny zavatra iray, ohatra ny nisehoan'i Jesoa in-telo dia midika fa tena velona tokoa izy...

♦ Ambana ho an'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety ankehitriny ny firoboroboan'ny teknôlôjian'ny fifandraisana ka nipoiran'ny saina voatran'olombelona hoy ny mpanao gazety Lova Rabary... ♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy ny filohan'ny repôblika Andry Rajoelina rahampitso... ♦ Sarotra ny hanafoana ireo taxi-bicyclette izay efa miasa ao an-drenivohitra ao fa ny faritra hiasany no tokony ho ferana, hoy Mahery Miller, mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Mifanentana hanao hetsika goavana anio sabotsy ireo antoko pôlitika any Mali...

♦ Mihemotra ny laharan'i Madagasikara eo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Very toerana 13 isika raha ampitahaina ny laharana tamin'ny taona-dasa... ♦ Sarotra ny hilaza fa tena malalaka amin'ny fanatanterahana ny asany ny mpanao gazety eto Madagasikara, indrindra hatramin'ny fotoana nampiroborobo ny tontolo nomerika, hoy James Ramaroson, filohan'ny OJM teo aloha... ♦ Tsy afa-bela fa voatazon'ny fitsaràna ambony, ny 30 volana sazy mihantona, ho an'ny mpitarika ny Randrana Sendikaly sy ny filohan'ny Seces sampana Antananarivo... ♦ Efa tafapetraka eo amin'ny tafon'ny Chapelle sixtine, hanaovana conclace ny cheminée hamantarana ny voka-pifidianana Papa...

03 mey — I Masindahy Philippe dia teraka tao Bethsaïde akaikin'ny farihy ao Tiberiade toa an-dry Pierre sy André. I Masindahy Jacques resahina eto dia ilay antsoina hoe : Jacques le Mineur, na azo atao amin'ny teny malagasy hoe : Jacques zandriny. Mba hanavahana azy amin'i Jacques le Majeur no hiantsoana azy tahaka izany.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...