♦ Mivelatra amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny raharaham-pirenena ilay dinika tanterahina eny Iavoloha fa tsy nijanona tamin'ny resaka fifidianana fotsiny. Ho tapitra anio izany dinika izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Manomboka miarin-doha ankehitriny ny orinasam-panjakàna Fanalamanga. Efa mandeha avokoa ireo milina maty teo aloha. Mikasa ny hanondrana vokatra voahodina ny orinasa, atsy ho atsy... ♦ Karohina indray ankehitriny i Eddy Bois de Rose. Namoahan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana filazàna fikarohana noho ny raharaha fanondrànana sokatra ity mpandraharaha malagasy ity...
Ny "miteny" sy ny "mivolana" dia samy matoan-teny, ny "tsy" manoloana azy ireo eto kosa dia mpamari-toetra, ireo no mitambatra no menome hevitra "havonavona, fanambaniana", "tsy fifanajàna. Ny hoe"miteny" dia manokatra ny vava, manambara teny mazava, mamoaka ny ao am-po ; ny "mivolana" dia an-tsoratra kokoa, miditra lalina kokoa. Misy heviny mifamatotra amin'ny tantara ary taratra amin'ny kolontsaina ny hoe "volana". ireto misy voambolana ahatarafana ny hoe "volana" ireto : Rasavolana, Mitambolanela(mitan-tsoratra), volan'onjatsy...
♦ Manaitra ny filohan'ny Fanavaozana ka nandefa taratasy faharoa any aminy ny vondrona firaisamonim-pirenena OSCEC. Tandindomin-doza ny firenena manoloana ny fahapotehan'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, hoy izy ireo... ♦ Samy efa mihetsiketsika avokoa ireo antoko pôlitika samihafa miatrika ny raharaham-pirenena, eo ny momba ny fifidianana, ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Mbola miaina fahatapahan-jiro lavareny foana ny mpampiasa herinaratry ny JIRAMA eto Antananarivo. Tsy tomombana ny milina famokarana, na ny mandeha solika, na ny azo avy amin'ny fikorianan'ny rano...
Manampy ny olona hankalaza ny litorjia sy ny Sakramenta ny fahalalana ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika. Satria mahalala ireo tenim-pinoana ilay olona dia mahafantatra izay ankalazaina ao amin'ny litorjia ka sady tsy hiteniteny foana no tsy hanaotao foana. Mahay mankalaza Sakramenta, ohatra ny hoe ny Mariazy dia sakramenta ifanoloran'ny mpivady... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco