25 aprily — Araka ny fikarohana dia teraka tao Galilée i Masindahy Marc, izay heverina fa taran'i Aaron. Zanaky ny mpananon-tena nantsoina hoe Marie izy. I Jean na Joany no tena anarany fa anaram-bositra ny hoe Marc.

Ny fitambaramben'ny mpino, izay voahosotr'ilay Masina dia tsy mety ho diso ; ary izany satany manokana izany dia asehony amin'ny alalan'ny fahiratan'ny finoana eo amin'ny vahoaka manontolo, rehefa aharihariny ny firaisana saina iombonambe mikasika ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy resaka demôkrasia no miantoka ny fahamarinan'ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

♦ Nandray ny fihaonana an-tampon'ny COI tety Ivato i Madagasikara androany. Nisongadina fa ilaina paik'ady fiarovana ireo ambana mitatao amin'ireo faritra ara-toe-karen'ny fari-dranomasimbe Indiana amin'izao... ♦ Nisy olana tampoka ny famatsiana herinaratra nandritra ny fanokafana ny fihaonana an-tampon'ny COI tetsy amin'ny CCI Ivato, androany... ♦ Naverin'ny Fanjakàna Maorisiana eto Madagasikara ny vongam-bolamena milanja 25,5kg naondrana an-tsokosoko. Nanolotra izany tamin'ny fomba ôfisialy androany ny Praiministra Maorisiana, Navin Ramgoolam... ♦ Nitondra fanovàna momba ny fombafomba atao mandritra ny fotoam-panevenana Papa ny Papa François...

♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato ny fihaonana an-tampony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI. Mandray anjara avokoa ireo firenena dimy mandrafitra azy... ♦ Mitohy ny fanampiana ara-bola ataon'ny frantsay na eo aza ny olana samihafa ara-toe-karena sy ara-tsôsialy miseho eran-tany hoy ny ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara... ♦ Nanambara ny Hery Politika Mitambatra fa tsy hetsika manamorona ny arabe no saika nataon'izy ireo omaly fa filanjàna sora-baventy tety Ivato. Tsy tanteraka nefa izany araka ny fanazavan'i Profesora Ralison Roger...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...