22 febroary — Raha ny tetiandron'ny Fiangonana Katôlika Romana no jerentsika dia intelo ny Fiangonana no manoka andro hatsiarovana an'i Masindahy Pierre ao anatin'ny taona. Ao ny 29 jona hankalazana ny fetin'i Masindahy Pierre sy Paul miaraka. Eo ihany koa ny 18 novambra fankalazana ny fitokanana ny Bazilikan'i Masindahy Pierre. Ary ity ankalazaina androany ity dia ny Fiketrahan'i Masindahy Pierre.
Ny kristianina manam-pinoana ihany, hoy ny Papa François, no tena manam-paharetana, izay faharetana miavaka. Eo amin'ny vavaka no tena ilàna faharetana, eo koa ny fihaonana amin'Andriamanitra, ary eo koa ny fitozoana amin'ny resaka ataontsika amin'Andriamanitra. Nitady ny fomba mba hivavahana lalandava i Moizy sy ny namany ka nahomby izy ireo, sady nandresy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Nampiditra 327 miliara Ariary ho an'i Madagasikara ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany, tamin'ny taona 2022... • Nanolotra vola mitentina 8 tapitrisa Dolara, hanamboarana ny ampahany amin'ny Lalam-pirenena faha-13, ny orinasa QMM... • Lanonana roa sosona no notanterahana teny amin'ny sekoly ambony Polytechnique Vontovorona androany, namaranana ny faha-50 taona nijoroan'ny sekoly...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco