• Manahy ny amin'ny fahasalaman'ny Kolonely Fanampera ankehitriny ny fianakaviany, satria nambaran'izy ireo fa mihinana fanafody isan'andro izy... • Miantso fifampiresahana amin'ireo mpisehatra politika rehetra momba ny fanomezana toromarika, amin'ny fananganana fikambanan'ny Mpanolotsain'ny Tanana sy ny Ben'ny Tanana isaky ny Distrika, ny KMF CNOE... • Hikalo ireo hiram-bavaka tsy afaka am-bavan'ny maro ao anatin'ny Fihirana FFPM, ry Rija Ramanantoanina sy ny namany...

28 marsa — Ny ankamaroan'ny tetiandro dia manonona an'i Masindahy Gontran ho an'ity andro anio ity. Mpanjaka tao Bourgogne izy io, maty tamin'ny taona 592. Zafikelin'i Clovis sy Clotilde izy, ary i Clotaire Voalohany no rainy. Rehefa maty ny rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans ary nitoetra tao Chalon-sur-Saône.

• Mitaky ny hamotsorana ny Kolonely Fanampera, ireo manohitra ny tetikasa Base Toliara. Nametraka fepetra mialoha amin'ny fihaonana amin'ny solontenam-panjakana tonga any Toliara amin'izao, izy ireo... • Nisy tamin'ireo mpanamboatra finday amoron-dalana eny Analakely no nosamborina, anatin'ny fandaminana eny an-toerana. Fiaran'izy ireo maromaro koa no nahiditra valan-tsazy... • Miverina indray ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny Lalam-pirenena. Fiara mpitatitra iray no voasakana tamin'ny Lalam-pirenena faha-4, ka nitarika fahasimbana goavana...

♦ Mitaky ny famoahana ny Kôlônely FANAPERA nosamborin'ny mpitandro filaminana tao Toliara ny zanany sy ireo tsy mankasitraka ny fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Politika sy tombontsoa manokana no fototry ny olana momba ity raharaha ity hoy ny fikambanana Toko Bey Telo... ♦ Mila manokana teti-bola afahana mamokatra masomboly mahazaka ny fiovaovan'ny toetry ny andro ny Fanjakàna hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine raha te hahavita teny ara-tsakafo isika... ♦ Nampiofana an'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga momba ny fiompiana tantely sy ny fanamboarana tranon-tantely ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...