I Masimbavy Agathe no tsaroana ny 05 febroary. Zanak'olona mpanan-karena sy avo razana, kristianina tao Catane (Sicile) i Agathe. Niaina tamin'ny fotoana nanjakan'ny Amperora Dèce tamin'ny taonjato fahatelo izy. Mbola kely izy dia efa nivoady ny tsy hanambady.
Ambaran'ny Paoly Apôstôly fa tsy haintsika akory ny mangataka izay tena ilaintsika. Mitaky toe-po sy toe-panahy ny fomba fivavahana, mila fanetren-tena, fahatsorana, sady atao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy tokony ho mailaka hangataka fotsiny isika, fa mila miaiky heloka aloha, milofo mitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra, miondrika eo anatrehany ary midera sy misaotra Azy... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco