♦ Naneho hevitra momba ny fifidianana Ben'ny Tanàna, ny Filoham-pirenena omaly hariva. Tsy tokony ho toerana hananganana ady intsony Antananarivo, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tafapetraka ho Sekretera Jeneraly vaovaon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana Andrimatoa Adgard Razafindravahy. Handray ny fihaonana antampon'ireo Filoham-panjakan'ny COI isika amin'ny fiandohan'ny taona 2025... ♦ Ho tratra ny vinavina fampidiram-bola amin'ny fandintseranana ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana amin'ny faran'ity taona ity...

♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ireo OVEC manerana ny nosy omaly. Voatana avokoa ireo kandidà fito, ho an'Antananarivo Renivohitra... ♦ Voafonja enina no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo tany amin'ny fonjan'i Mananjary, tato anatin'ny iray volana sy tapany... ♦ Niato ny fampandehanana ny pipeline an'ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny alakamisy teo. Nisy ny tsy fahatomombanana tampoka tamin'izany fantsona izany, hoy ny tompon'andraikitra...

♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà nahafeno ny fepetra notakiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina hotanterahana ny 11 desambra 2024, ireo OVEC manerana ny nosy androany... ♦ Voafonja miisa enina ao amin'ny fonjaben'i Mananjary no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo, tao anatin'ny iray volana sy tapany. Misy koa ireo voafonja mbola manaraka fitsaboana... ♦ Natomboka androany ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ireo mpifaninana hiditra ho mpianatra zandary andiany faha-79. Heverina ho vita ao anatin'ny folo andro ny fitsarana ireo taratasim-panadinana maherin'ny 30.000...

♦ Feno 12 taona amin'ity taona 2024 ity ny nananganana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Hankalaza ny faha-130 taona niorenan'ny fikambanana sy ny faha-75 taona nahafatesan'ny Vénérable Mère Marie des Anges, ny fikambanana masera Carmélites de Sainte Thérèse de Turin, ny 6 ôktôbra 2024... ♦ Namarana ny famangiana apôstôlika andiany faha-46, nataony tany Luxembourg, ny Papa François omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...