♦ Manatanteraka ny Fivoriambe faharoa fanaony isan-taona, ao amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny 5 hatramin'ny 15 nôvambra 2024... ♦ Mirehi-pitiavana ho an'i Jesoa, manokan-tena ho an'ny tanora. Io no manentana ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, ho an'ny Chapitre Général CG29...

♦ Tsy eken'ny Depiote mpanohitra ny fividianana fiara 4x4. Tsy nifampierana, hoy izy ireo, ny fanapahana ny fandoavana solika hividianana izany, fa natao tery vay manta... ♦ Hiakatra ho 25% amin'ny tahan'ny karama farany ambany ny fisotroan-dronon'ireo zokiolona mihoatra ny 80 taona, mandray vola amin'ny CNaPS. Hiakatra ihany koa ny an'ireo maty vady mbola miasa sy tsy an'asa... ♦ Tsy fahita raha tsy eto amintsika ny 99%-n'ireo karazana sahona misy eran-tany. Nisy ny “Festival des amphibiens” omaly, nanentanana ny rehetra hiaro ireny karazam-biby ireny...

♦ Nampiantso ireo Minisitra teny Tsimbazaza omaly, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Nafanafana ny fifamalian-dresaka momba ny olan'ny jiro sy ny rano amin'izao fotoana izao... ♦ Ny 30%-n'ny filana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina sisa ankehitriny no vokarin'ny Jirama, noho ny hain-tany. Nitondra fanazavana momba izany ny Minisitry ny angovo, omaly... ♦ Nisehoana savorovoro tany amin'ny Distrikan'i Manakara omaly. Savorovoro niafara tamin'ny fandorana ny tranon'ny rain'ilay tovolahy iray, maty nofirin'ny zandary...

♦ Nampiantso ireo mpikamban'ny Governemanta teny Tsimbazaza androany, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Nibahan-toerana ny fangataham-panazavana momba ny olan'ny rano sy ny jiro ankehitriny... ♦ Nanazava momba ny delestazy misy amin'izao fotoana izao ny Minisitry ny angovo androany. Ny 30%-ny filana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina ihany no vokatra amin'izao, hoy izy... ♦ Teratany Malagasy miisa 25, nampodiana an-tanindrazana, rehefa nikasa hiditra an-tsokosoko atsy amin'ny nosy Mayotte. Nisy 5 hafa nogadraina any an-toerana, noho izy ireo efa matetika no tratra amin'izao fiondranana izao...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...