♦ Mitsidika ny Diôsezin'i Toamasina ny Nonce Apostolique Mgr Thomasz Grysa. Fitsidihana pastoraly nanomboka omaly hatramin'ny alahady... ♦ Kandidà an'ny vovonana IRMAR amin'ny fifidianana ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina andrenivohitr'i Manakara ny Préfet an'i Manakara amperinasa Ramatoa Rakotomalala Béatrice... ♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny tetik'asa Harena voajanahary sy kijàna mamokatra tamin'ireo Faritra 3 niasany. Vokatra isany nisongadina ny famokarana vilo-maina avy amin'ireo bozaka manodidina ny faritra arovana Ankafobe sy ny fambolena apemba ho an'ny otri-bilona... ♦ Nanambara ny ministry ny fiarovana israeliana fa dingana vaovao amin'ny ady ny tranga misy any Liban...

Ny andraikitra sy ny adidy no maha-olona, ary indrindra maha olom-pirenena. Ny olom-pirenena dia indrindra ireo 18 taona na mahery. Ny safidy no fototry ny fiainana. Mba ho azo antoka ny fisian'ny fifanajàna sy ny filaminana dia ilaina ny fieken-tena fa diso, eo koa ny fanetrentena hifampiresaka. Mampandroso ny safidy tsara, izay vokatry ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra...  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy mbola isan'ireo afaka hihazakazaka hifaninana ho ben'ny tanàna an'Antananarivo Renivohitra Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nohamafisin'ny CENI omaly ny fanapahana navoakan'ny OVEC. Nohalavaina hatramin'n 26 septambra izao ny fe-potoana farany afahan'ireo maniry ho kandidà ben'ny tanàna mametraka ny antotan-taratasiny any amin'ny OVEC... ♦ Hampahafantatra ny dingana ataony manoloana ny fandavana ny firotsahan-ko fidian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny vovonana Firaisan-kina. Nanamafy ny SG antoko TIM fa tsy nisy ny fifanarahana natao tamin'ny fintatanana ankapoben'ny Hetra... ♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny volobe isika teto Madagasikara omaly...

♦ Nohalavaina hatramin'ny 26 septambra ny fe-potoana farany ahafahan'ireo ho kandidà Ben'ny Tanànana, mametraka ny antontan-taratasiny any amin'ny OVEC... ♦ Hanohy ny dingana araka ny lalàna manoloana ny fandavan'ny CENI ny firotsahan'Andriamatoa Marc Ravalomanana, ny Firaisankina. Naka ny fanapahana avy amin'ny CENI teny Alarobia izy ireo androany... ♦ Nomarihana androany ny Andro Eran-tany ho an'ny Volobe, na Bambou. Miisa 35 karazana ny volobe misy eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...