Ny fanantenana dia ilaina foana eo amin'ny fiainana satria hananana tanjona, ary tsy misaraka amin'ny finoana na dia kely aza izany finoana izany hahavitana zavatra goavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy midika ho endrika fanjanahana ny fisokafana sy fiarahana amin'ireo tany miteny frantsay, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Frankôfônia... ♦ Manome fe-potoana 100 andro ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, hamaliana ny fitakian'izy ireo, ny sendikà SISFM ivondronan'ireo Sage-femmes sy Infirmiers... ♦ Tsy mametraka olana amin'ny fisokafana amin'ny antoko hafa ny antoko TGV, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ho avy, fa mametraka fitokisana amin'ireo tompon'andraikitra misafidy izay ho kandidà...
♦ Hiresaka momba ny raharaham-pirenena ankehitriny miaraka amin'ny hery pôlitika sy fikambanana samihafa ny vovonana misy an-dRamatoa Razanamahasoa Christine amin'ny sabotsy izao. Tsy tafiditra ao anaty lahadinika anefa ny resa-pifidianana... ♦ Ho hentitra ny fifantenana ireo olona avy amin'ny antoko pôlititka sy vondronan'antoko ary fikambanana maniry ny ho kandidà an'ny vovonana Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina... ♦ Nanohana sy niara-miombon'antoka tamin'ny fananganana ny ivon-toerana vonjy voina eny Ankatso ny PNUD... ♦ Nihotsaka ny toerana iray fitrandrahana harin-tany any atsimon'i Pakistan. Efa miatrana manao ny asany ny mpamonjy voina ka olona roa no hita faty hatramin'izao...
♦ Mbola endriky ny fiodinana faharoa ho an'ny filoha Andry Rajoelina ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Belo amoron'i Tsiribihina... ♦ Nampiato ny asany ka mitaky ireo namany miisa 5 izay notanan'ny pôlisy ao Toamasina ny mpamilin'ny fiarabe mpitatitra solika... ♦ Omen-danja ny asan'ireo mpisehatra amin'ny asa sôsialy ary ampivelarana izany ny sehatr'asa eto Madagasikara... ♦ Nahazo fahafahana ilay mpanao gazety Congolais voarohirohy ho namoaka vaovao tsy marina rehefa nandoa lamandy hatrany amin'ny 400 Euros...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco