Ilaina ny fahaizana mifanampy ao anivon'ny ankohonana ao. Ny fifanampiana dia manamafy sy manatsara ny rivo-piaraha-monina. Ny fahaiza-mihaino sy ny fahaizana mifanampy dia mifameno. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.

08 desambra — Teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana dia efa talohan'ny Kônsily tany Nicée ireo Mpampianatry ny Fiangonana no nanaja an'i Masina Maria, ary niantso azy hoe Virjiny Masina sy hoe Eva Vaovao.

07 desambra — Teraka ny 340 tao Trèves i Ambroise, taona nahafatesan'i Constantin II. Ambrosius no anaran'ny rainy, mpiasam-panjakana izy io, préfet du prétoire des Gaules. Teo amin'ny fahadimy amby roapolo taonany izy no lasa mpiasam-panjakana ambony, toa an-drainy ihany koa, tamin'ny fitantanana ny fanjakan'ny amperora tao Roma.

06 desambra — Teraka tao Patare, tananan'i Lycie tamin'ny taona 270 i Masindahy Nicolas. Fanta-daza tamin'ny fitiavam-bavaka ny ray aman-dreniny, ary tamin'ny fitalahoana am-bavaka no nahazoan'izy mivady ireo an'i Nicolas, satria tsy niteraka mihitsy izy ireo. Fa rehefa ela no nitalahoany tamin'ny Andriamanitra, dia nankatoaviny ny vavak'izy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...