♦ Tanora 4 eo anivon'ny Gen Z, anisan'ireo nanao fihetsiketsehana ny herinandro teo no nisy nisambotra. Tazomina eny amin'ny sampana heloka bevavan'ny Polisim-pirenena Anosy ny sasany amin'izy ireo, nanomboka omaly... ♦ Tsy mankasitraka ny fandravàna ny andrim-panjakàna ny Antenimieram-pirenena tamin'ny lahateny teny Tsimbazaza omaly. Ara-dalàna ny fitondram-panjakàna ankehitriny hoy Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Tsy misy atahorana ny famatsiana solika eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Angovo ary ny Akoran'afo, omaly. Efa tonga ny sambo mpitondra solika ho an'i Madagasikara...
Manamafy ny fifandraisana ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny soa iombonana dia fitambaran'ireo fepetra ara-tsôsialy, ahazoan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra moramora kokoa ny fahalavorariany tanteraka sy manasoa ny olombelona rehetra. Tsy voatery ho zavatra mivaingana azo tsapain-tanana ny soa iombonana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
• Tsy mankasitraka ny fandravana ny andrim-panjakana misy eto amin'ny firenena ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, raha nandaha-teny tamin'ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana androany teny Tsimbazaza... • Tsy niandry ela, fa taorian'ny fanokafana fivoriana androany, dia nampahafantatra ny fandaharan'asa ankapoben'ny fanjakana, na ny PGE, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana androany tolakandro, teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza... • Ampy ary tsy misy atahorana ny famatsiana solika eto Madagasikara, efa nigadona tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina androany ny sambo mpitondra solika, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo...
♦ Namaly ireo tanora Gen Z sy ireo mpanao pôlitika mitaky ny fandravana ny rafi-panjakàna sy andrim-panjakàna misy ankehitriny, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena androany, tamin'ny lahateny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana eny Tsimbazaza... ♦ Misy ny fanehoan-kevitra samihafa momba ny fanendrena Sefo Fokontany... ♦ Nitrangàna hay trano tany amin'ny kaominina Tsaravinany Mahanoro omaly. Miisa 87 tafo ireo trano may tamin'izany... ♦ Nifampiampanga tamin'ny fandikàna ny fampitsaharana ny ady noho ny fankalazana ny Paka Ortodoksa i Ukraine sy i Rosia...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco