♦ Tontosa omaly, tao Mangarano II, Diôsezin'i Toamasina ny fitokanana ny fiangonana EKAR Don Bosco sy ny Sekoly Dominique Savio, tantanan'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Ny 27 hatramin'ny 29 mey 2022 teo ny fanohanana ny Seminera, ho an'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy...

♦ Alim-bavaka, Eokaristia Masina ary dia mivavaka, no nanamarihana ny faha-150 taonan'ny Masera FMA, tamin'ny 24 mey 2022... ♦ Nankalazaina ny alahady 22 mey 2022, ny taom-bolamena niorenan'ny finoana katôlika tao Andranomagnitsy, distrika Ambahikily, Morombe... ♦ Hotanterahana ny 29 mey 2022, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Arsevekan'i San Antonio, ny Papa François, tao aorian'ilay fitifirana nitranga tao amin'ny sekoly iray tany Texas...

Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena fa na ny tantara maneran-tany ihany koa dia torak'izay, satria isika dia efa miaina ao anatin'ny fanatontoloana... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory. Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: "Tompoko, vonjeo izahay, fa maty." Ary hoy i Jesoa taminy: "Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?" Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: "Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?"

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...