Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa. Ny maso no jiron’ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”
Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon'ireo nofantsihana, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin'ny Hazofijaliana amin'ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay. Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: "Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza". Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: "Hijery IIay nolefoniny izy".
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco