Ho raisin’ny ao ROME ny fanamarihana ny fahefa-taonan’ilay fihaonana manan-tantara tany CUBA teo amin’i Papa François sy ny Patriarka KIRILL, lehiben’ny fiangonana orthodoxe rosiana.

Nampahafantarina tamin’ny 3 janoary lasa teo ny hafatr’i Papa François momba ny fankalazana ny andro erantany ho an’ny marary, andiany faha-28, marihina isaky ny 11 febroary.

Namerina ny fanasana an’i Papa François hamangy an’i CROATIE ny lehiben’ny governemanta croate Andrej PLENKOVIC.

Nifamotoana tao amin’ny katedralin’i Masindahy Jozefa any ABOU DHABI, tamin’ny alarobia teo, ny ankohonampiainana katôlika any amin’io firenena io.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...