Asatanana tsy dia fahita matetika ity aroso amintsika ity: haingo manatsara ny endriky ny tanàna sady azo ampiasaina tsara toy ny seza rehetra. Miavaka raha samy seza izy ity, azo ahantona amin'ny toerana tiana ary natao ho an'ny rehetra.

Higadona tsy ho ela ny vaninandro lehibe hanamarika ny tantaran’ny Fikambanan’ny masera Zanakavavin’i Masina Maria vonjin’ny kristianina (FMA). Fotoan-dehibe handinihina ny lasa sy handraisana hainga vao izao fankalazana ny tsingerin-taona faha-150 niorenan’ny fikambanana amin’ny 2022 izao (05 aogositra 1872-05 aogositra 2022).

Nivavaka sy naneho ny fiombonam-pony amin'i Albanie ny Papa taorian'ilay horohorontany nahazo an'io firenena io, ny alin'ny alatsianiny hifoha talata lasa teo.

Vahinin'ny Papa François tao Vatican, omaly alakamisy ny filohan'ny repoblikan'i Estonie, ramatoa Kersti Kaljulaid. Nihaona tamin'ny sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa, Monseigneur Gallagher, izy avy eo.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...