♦ Nanao fanambaràna iombonana ny mpisehatra rehetra eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamambahoaka. Nilaza izy ireo fa olom-baovao no tokony ho tendrena hitantana ny ministera... ♦ Nankalazaina androany ny andro maneran-tany ho an'ny toetry ny andro, izay mifanindran-dalàna amin'ny fankalazàna ny faha-125 taona nijoroan'ny foibe famantarana ny toetry ny andro Malagasy... ♦ Vary nafarana avy any ivelany, ahiana ho efa simba 6.000 gony no tra-tehaka tamina toeram-pitehirizan'entana iray an'ny mpandraharaha vahiny teny Tanjombato... ♦ Miakatra hatrany amin'ny 30% ny vidin-tsolika maneran-tany, vokatry ny ady any Iran...
♦ Efa mandray ny asany ny Lehiben'ny Faritra Fitovinany Razafitsiandraofa Jean Brunelle... ♦ Mbola misy sy mijoro ny Antoko AREMa na dia tsy eo amin'ny fitondrana intsony aza, hoy ireo mpikambana nandritra ny fankalazàna ny faha-50 taonan'ny antoko... ♦ Nisitraka fiofanana avy amin'ny biraom-pirenena misahana ny ady amin'ny famarinana olona ireo Sefo Fokontany... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-88 taonany, androany 23 marsa, ny Praiministra frantsay taloha Lionel Jospin...
♦ Nahoraka tao anatin'n faran'ny herinandro teo ny ampamoaka teny amin'ny tambajotran-tserasera ka voatonontonona tamin'izany ny anaran'ireo tompon'andraikitra ambony... ♦ Hiroso amin'ny fivoriana sy fikarakaràna ny fifidianana izay ho solontenany ao amin'ny CENI, anio, ny fiaraha-monim-pirenena sy ny CTOJM... ♦ Noraisina tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo ny ampahany amin'ny fiantsonana ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Nitarika izany ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël... ♦ Miha henjana hatrany ny fifandrahonana eo amin'ny Téhéran sy Washington...
♦ Mitaky ny hamerenana ny fifidianana tany Amparafaravola ny kandidà ben'ny tanàna sady filohan'ny KMT, Kômity Miaro ny Tolona any an-toerana... ♦ Tsy hisy hahazo tombontsoa amin'ny hisian'ny korontana sy krizy pôlitika intsony eto Madagasikara hoy ny antoko RPMU, vondron'ny tia tanindrazana Malagasy tafaray... ♦ Hampiantrano ny andiany voalohany amin'ny kongresy momba ny nify aty amin'ny Ranomasimbe Indiana (C.D.O.I) i Madagasikara ny 30-31 oktobra ho avy izao... ♦ Hampihena tsikelikely ny fanafihana an'i Iran i Etazonia, raha ny nambaran'ny filoha Amerikana Donald Trump, tamin'ny tambazotra Truth...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco